Category Archives: Non classé

FAMARANANA NY DINGANA FANDRAISANA MPIASA AVY ANY IVELANY

Ho famaranana ny dingana fandraisana mpiasa vaovao avy any ivelany (recrutement externe) dia notontosaina ny zoma 27 novambra 2020 teo ny fisaorana sy fankasitrahana ny Komity manokana miandraikitra ny fandraisana mpiasa vaovao enti-manatevin-daharana ny BIANCO. Notsongaina nohon’ny traikefa manokana sy ny toerana misy azy ireo mpikambana mandrafitra ity Komity ity. Ho fampanjakana ny mangarahara sy ho fitandroana ny tsy fitanilana dia nahitana olo-be, solotenan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana mitandro ny soatoavina malagasy, ny sehatry ny fampianarana sy ny asam-panjakana misahana ny vola sy ny fikarohana ny fandikan-dalàna ary ny sehatra tsy miankina io Komity manokana io.

Marihina fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampiharana ny didim-panjakana vaovao laharana 2020-013 ny 15 janoary 2020 mikasika ny fanitsiana ara-drafitry ny BIANCO ny dingana rehetra notanterahina hatreto. Natomboka tamin’ny fandraisana arahin-tsivana ireo mpiasa tato anatiny izany. Tamin’ny volana septambra lasa teo no vita io dingana voalohany io. Manodidina ny 93% no tahan’ny mpiasa namaly ny filàn’ny fanitsiana ara-drafitra. Notsinjaraina izy ireo mba hanatevin-daharana ny rantsamangaikan’ny BIANCO any amin’ny faritra ary mba ho fampitoviana lenta sy hahitana fahombiazana eo amin’ny fanatanterahana ny asa.

Manodidina ny dimampolo eo ho eo ny isan’ireo mpiasa ivelany ho raisin’ny Komity manokana ho famenoana ny toerana banga navoitry ny filàna vaovao. Rehefa vita ny sivana (pré-sélection) sy ny adina am-bava (entretiens) dia irosoana tsikelikely ankehitriny ny fanadihadiana (enquête de moralité) atao amin’ireo mpifaninana voafantina isaky ny sokajin’asa mialoha ny fanendrena ny ho tompon-toerana. Hampahafantarina etoana amin’ny fotoana mahamety azy izany vokatra farany izany.



Lutte anti-corruption: le Bianco présentera son rapport d’activités ce mardi.

Category : Non classé

Le Bureau Indépendant Anti Corruption (Bianco) présentera ce mardi 10 novembre son rapport d’activité annuelle. Une occasion pour Laza Andrianirina Directeur Général, de présenter l’évolution de la lutte contre la corruption à Madagascar. Ce mardi sera également marqué par une exposition qui retrace les étapes franchies après la mise en place de la stratégie nationale de la lutte contre la corruption ou SNLCC.
Madagascar se trouve à la 158ème place sur 180 pays au classement mondiale dressée par Transparency International au début de cette année 2020. Un classement qui indique que la corruption à Madagascar est persistante dans le secteur public. La Grande Île a perdu un point dans le classement des pays sur la lutte anti corruption selon les études menées par cet ONG dans le monde.
Le DG du Bianco qui a pris ses fonctions il y a un an entend poursuivre le processus de mise en œuvre de la SNLCC surtout après l’adoption des textes permettant une efficacité plus performante. Il lui appartient de mettre en place déploiement des pôles anti corruption dans les provinces. En terme de stratégie, Laza Andrianirina veut accentuer la lutte anti corruption dans le service public en installant des cellules anti corruption dans chaque département ministériel.

Marc A.

Source: