Category : Application de la loi , News et Evènements
Mihatra avy hatrany ny Paikadim-pirenena vaovao 2025 – 2030 ho fanohizana ny ezaka efa ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny Ady amin’ny Kolikoly isan’ambaratongany izay mikendry ny hanova an’i Madagasikara, amin’ny taona 2030, ho « Nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny tambajotran’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. »
Nanokatra fanadihadiana mikasika ny fitarainana niantefa teny amin’ny tambajotra sosialy momba ny tsy fanarahan-dalàna sy fitakiam-bola nataon’ireo polisy miasa amin’ny Sampandraharaha miandraikitra ny sisin-tany eo anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato (Police de l’Air et des Frontières – PAF Ivato) ny Birao Mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO). Natolotra ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny vokatr’izany fanadihadiana izany ny zoma 11 aprily 2025, toarian’ny nahazoana ny fanomezan-dàlana hanao ny fanenjehana (Ordre de poursuite) nosoniavin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny izay tsy mikely soroka manadio ny eo anivon’ny polisim-pirenena malagasy. Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo polisy efatra mianadahy voasaringotra tamin’ity raharaha ity nohon’ny fahampian’ny vesatra hanenjehana azy ireo : fanararaotana ny fisahanan’asa, fanaovana kolikoly ary fitakiam-bola tsy ara-dalàna. Notazomina eny amin’ny fonjan’Antanimora ireto mpiasam-panjakana eo anivon’ny polisim-pirenena ireto miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
Fitakiana vola
Tsiahivina fa nanao fanaparam-pahefana sy nitaky vola tsy ara-dalàna tamin’ny mpandeha ireo polisy miisa efatra mivondrona anaty ekipa iray izay niasa nandritra ny alin’ny 07 febroary 2025 lasa teo. Mpandeha iray hiondrana amin’ny sidina Ethiopian Airline hihazo an’i Dubaï no nohararaotin’izy ireo notakiana vola mitentina 2.000.000 Ariary na dia tomombana avokoa aza ny taratasy teny ampelan-tanany. Voarahona tsy afaka miondrana ity mpandeha ity ka voatery nandoa io vola notakiana taminy io tamin’ireto polisy nanao ny fisavana. Nisy ampaham-bola naloa avy hatrany ary nisy ampahany kosa voatery nalefa tamin’ny Mobile money nohon’ny tsy fisian’ny lela-vola teny ampelan-tànan’ny fianakavian’ilay mpandeha. Nifampizaran’izy efatra mianadahy avy hatrany ny vola voaray ary hita taratra nandritra ny fanadihadiana avokoa izany.
Mandray andraikitra ny BIANCO
Na tsy nijoro nanao fitoriana aza ilay mpandeha dia nanokatra ny fanadihadiana hatrany ny BIANCO ho fampiharana ny lalàna manan-kery amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra indrindra ho fandraisana andraikitra manoloana ireo fitarainana maro voaray eny anivon’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity. Napetraka eny an-toerana rahateo ny masoivohon’ny BIANCO mba handray fitarainana sy hanoro hevitra ireo mpandeha mila izany.
Manadio ny ao anatiny ny polisim-pirenena
Marihina fa vao avy nandray ny andraikiny teo anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato avokoa ireto polisy voasazy ireto ny volana septambra 2024 lasa teo. Nandray fepetra avy hatrany nanolo ireo mpiasa naharaisana fitarainana betsaka nohon’ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany moa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka taorian’ny fidinana ifotony nataon’Atoa Filoham-pirenena teny amin’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity ary nanomezany baiko ny tsy maintsy hanadiovana ny eo anivon’ity toeram-piantsonana iraisam-pirenena ity.
Manantena ny olom-pirenena sy ireo mpivezivezy eny anivon’ity Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity fa samy hanohy ny andraikiny antsakany sy andavany araky ny lalàna mifehy azy avokoa ireo mpisehatra rehetra isaky ny sampandraharaha isan-tokony, mba tsy hampitsanga-menatra ny Malagasy tsy vaky volo.