FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA FISANDOHANA HO MPANAO FANADIHADIANA EO ANIVON NY BIRAO MAHALEOTENA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY

FAMPITAM-BAOVAO MAHAKASIKA FISANDOHANA HO MPANAO FANADIHADIANA EO ANIVON NY BIRAO MAHALEOTENA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY

Category : News et Evènements

Manoloana ny firongatry ny mpanao asa ratsy amin’ny alalan’ny fisandohana na fampiasana ny anarany,

Ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO) dia :

  • Manameloka tanteraka ny fihetsika toy izany izay manohintohina  ny hasin’ny  Birao Mahaleo tena Iadiana amin’ny Kolikoly ;
  • Miantso ny rehetra mba ho mailo rehefa misy olona milaza ho mpiasan’ny BIANCO, ary manamafy fa ny tena mpiasan’ny BIANCO dia tsy maintsy mitondra sy mampiseho karatra manamarina ny maha mpiasan’ny BIANCO azy (carte profesionnelle) izay voasonian’ny Tale Jeneraly sy ny tompony. Ny mpanao fanadihadiana kosa ambonin’izay dia tsy maintsy mitondra ny taratasy fahazoan-dàlana hanao fanadihadiana (mandat) voasonian’ny lehibeny.

Raha misy toe-javatra mampiahiahy dia aza misalasala miantso ny BIANCO amin’ny alalan’ireto fifandraisana manaraka ireto:

  • Finday: 033 54 600 00 (ora fiasana) – 033 02 002 96
  • Mailaka: bianco@moov.mg

Laisser une réponse