Fividianana vatomamy teo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa : Vita ny fanadihadian’ny BIANCO, nampitaina any amin’ny PAC ny zoma lasa teo.

Fividianana vatomamy teo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa : Vita ny fanadihadian’ny BIANCO, nampitaina any amin’ny PAC ny zoma lasa teo.

Tsaroana etoana ny fanambaran’Atoa Tale Jeneralin’ny BIANCO ny 4 jiona lasa teo, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety izy, nandritrany fanavaon-tsoniany fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fiadidiana ny Tananan’Antananarivo Renivohitra (CUA) fa hiverina hiasa ary hiasa ny BIANCO. Nolazainy tamin’izany fa hihamafy ny ady atao amin’ny kolikoly amin’izao fialana tsikelikely amin’ny fihibohana izao satria misy ireo alaim-panahy sy manana eritreri-dratsy hamadika izao hamehana ara-pahasalamana ateraky ny Covid-19 izao handikàna lalàna sy hanararaotana hanaovana zavatra mamoafady.

Tsy namaly mivantana ny mpanao gazety ny Tale Jeneraly raha nanontaniana ny raharaha mikasika « Tsenam-barom-panjakana vatomamy », fa kosa nitaona ny olom-pirenena hitoroka sy handà ny kolikoly sy ireo endriny samihafa izy.Notanany ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana nataon’ireo mpanao fanadihadiana matihanin’ny Biraom-paritry ny BIANCO eto Antananarivo mahakasika ilay raharaha mifono kolikoly izay nahabe resaka herinandro vitsivitsy lasa izay.

Naharay fitarainana maromaro mahakasika tsenam-batomamy sy kojakoja ary fitaovana samihafa fanasan-tànana teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana ara-Tekinika sy arak’Asa ny BIANCO. Voasaringotra amin’izany raharaha izany ny tompon’andraikitra maromaro eo anivon’io ministera io, ary ireo orinasa nahazo ny tsena tsy nisy tolobarotra. Efa lasa lavitra ny raharaha ka tsy takona afenina intsony ka niafara tamin’ny fanalàna ny Minisitra teo amin’ny toerany.

Mikasika ny tsena roa (2) tsy misy tolobarotra natao teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana ara-Tekinika sy arak’Asa hividianana vatomamy mitentina valo (8)miliara ariary mahery sy hividianana savony sy « bidon jaune » mitentina dimy (5)miliara ariary ny raharaha. Tsy mbola voaloa vola anefa ireo entana ireo satria voatsirika sy voasakan’ny mpanao fanadihadihan’ny BIANCO ara-potoana. Efa natokan’ny ministera kosa anefa ny vola handoavana ireo entana ireo ary naverina haingana tany amin’ny kitapom-bolan’ny ministera noho ireo tsikera mivaivay nanodidina ity raharaha ity. Na izany aza anefa dia efa teraka ny fandikan-dalàna hatreo satria tontosa ny dingana sasany mikasika ny famatsiana ireo entana ireo ary efa nisy aza ampahan’ireo entana ireo no voaray teo anivon’ny minisitera.

Mpiasam-panjakana ambony maromaro eo anivon’io ministera io no voakasik’ity raharaha ity. Isan’izany ny Minisitra teo aloha, ny Tale Jeneralin’ny fanabeazana sy ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra (DGFA), ny Tale misahana ny ara-bola sy ny fitantanana (DAF), ny tompon’andraikitry ny tolo-barom-panjakana (PRMP). Araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO dia fantatra fa tafiditra lalina amin’ity raharaha ity ihany koa ireo tompon’ny orinasa nahazo ny tsenam-panjakana sy ireo mpiray tsikombakomba nanamora ny fisian’io tranga io. Fanaparam-pahefana, fanomezana tombondahiny, kolikoly manome sy kolikoly mandray, hosoka sy fampiasana hosoka no niapangana azy ireo. tana ireo ary efa nisy aza ampahan’ireo entana ireo no voaray teo anivon’ny minisitera.

Rehefa vita ny fanadihadiana rehetra nataon’ny BIANCO dia natolotra ny fitsarana mahefa mpitsirika kolikoly (Pôle Anti-Corruption – PAC) ny raharaha ny zoma 19 jiona lasa teo. Notanana am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona fito (7)voarohirohy tamin’izany.


Laisser une réponse