Category Archives: Application de la loi

Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Naiditra amponja vonjimaika ireo polisy miisa efatra nanao kolikoly.

Mihatra avy hatrany ny Paikadim-pirenena vaovao 2025 – 2030 ho fanohizana ny ezaka efa ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny Ady amin’ny Kolikoly isan’ambaratongany izay mikendry ny hanova an’i Madagasikara, amin’ny taona 2030, ho « Nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny tambajotran’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. »

Nanokatra fanadihadiana mikasika ny fitarainana niantefa teny amin’ny tambajotra sosialy momba ny tsy fanarahan-dalàna sy fitakiam-bola nataon’ireo polisy miasa amin’ny Sampandraharaha miandraikitra ny sisin-tany eo anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato  (Police de l’Air et des Frontières – PAF Ivato) ny Birao Mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO). Natolotra ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny vokatr’izany fanadihadiana izany ny zoma 11 aprily 2025, toarian’ny nahazoana ny fanomezan-dàlana hanao ny fanenjehana (Ordre de poursuite) nosoniavin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny izay tsy mikely soroka manadio ny eo anivon’ny polisim-pirenena malagasy. Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo polisy efatra mianadahy voasaringotra tamin’ity raharaha ity nohon’ny fahampian’ny vesatra hanenjehana azy ireo : fanararaotana ny fisahanan’asa, fanaovana kolikoly ary fitakiam-bola tsy ara-dalàna. Notazomina eny amin’ny fonjan’Antanimora ireto mpiasam-panjakana eo anivon’ny polisim-pirenena ireto miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Fitakiana vola

Tsiahivina fa nanao fanaparam-pahefana sy nitaky vola tsy ara-dalàna tamin’ny mpandeha ireo polisy miisa efatra mivondrona anaty ekipa iray izay niasa nandritra ny alin’ny 07 febroary 2025 lasa teo. Mpandeha iray hiondrana amin’ny sidina Ethiopian Airline hihazo an’i Dubaï no nohararaotin’izy ireo notakiana vola mitentina 2.000.000 Ariary na dia tomombana avokoa aza ny taratasy teny ampelan-tanany.  Voarahona tsy afaka miondrana ity mpandeha ity ka voatery nandoa io vola notakiana taminy io tamin’ireto polisy nanao ny fisavana.  Nisy ampaham-bola naloa avy hatrany ary nisy ampahany kosa voatery nalefa tamin’ny Mobile money nohon’ny tsy fisian’ny lela-vola teny ampelan-tànan’ny fianakavian’ilay mpandeha. Nifampizaran’izy efatra mianadahy avy hatrany ny vola voaray ary hita taratra nandritra ny fanadihadiana avokoa izany.

Mandray andraikitra ny BIANCO

Na tsy nijoro nanao fitoriana aza ilay mpandeha dia nanokatra ny fanadihadiana hatrany ny BIANCO ho fampiharana ny lalàna manan-kery amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra indrindra ho fandraisana andraikitra manoloana ireo fitarainana maro voaray eny anivon’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity. Napetraka eny an-toerana rahateo ny masoivohon’ny BIANCO mba handray fitarainana sy hanoro hevitra ireo mpandeha mila izany.

Manadio ny ao anatiny ny polisim-pirenena

Marihina fa vao avy nandray ny andraikiny teo anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato avokoa ireto polisy voasazy ireto ny volana septambra 2024 lasa teo. Nandray fepetra avy hatrany nanolo ireo mpiasa naharaisana fitarainana betsaka nohon’ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany moa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka taorian’ny fidinana ifotony nataon’Atoa Filoham-pirenena teny amin’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity ary nanomezany baiko ny tsy maintsy hanadiovana ny eo anivon’ity toeram-piantsonana iraisam-pirenena ity.

Manantena ny olom-pirenena sy ireo mpivezivezy eny anivon’ity Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity fa samy hanohy ny andraikiny antsakany sy andavany araky ny lalàna mifehy azy avokoa ireo mpisehatra rehetra isaky ny sampandraharaha isan-tokony, mba tsy hampitsanga-menatra ny Malagasy tsy vaky volo.


MAISON CENTRALE D’ANTSIRANANA : ABUS DE FONCTION RELATIF A LA SORTIE ILLEGALE D’UNE DETENUE

Le Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) d’Antsiranana a été alerté de la sortie irrégulière d’une détenue de la Maison centrale d’Antsiranana en décembre 2022. Une surveillante pénitentiaire avait sollicité une autorisation de sortie pour la détenue sous le faux motif de « travail à domicile » pour son propre bénéfice. Le Chef d’établissement, en complicité, avait approuvé cette demande en établissant un contrat de concession de main d’œuvre pénitentiaire. L’enquête du BIANCO a déjoué cette manœuvre, retrouvant la détenue dans son village à Andranomena, situé dans la commune rurale de Sadjoavato, Antsiranana II. Face à cette sortie illégale et à la violation des textes régissant le travail des détenus, un procès-verbal pour abus de fonction a été transmis au Pôle Anti-Corruption de Mahajanga pour des actions judiciaires. La corruption dans les prisons compromet la sécurité.


Maison centrale de Marofoto à Mahajanga : Évasion d’un détenu, des responsables pénitentiaires écroués

L’affaire remonte à avril 2023, suite à une dénonciation anonyme parvenue à la Direction Territoriale du BIANCO Mahajanga. Celle-ci signalait l’absence irrégulière d’un détenu de la Maison Centrale de Marofoto. L’individu, qui n’avait pas encore purgé la totalité de sa peine, a été retrouvé à Ambondromamy, à une centaine de kilomètres de Mahajanga.

Les investigations du BIANCO Mahajanga ont révélé que le détenu avait quitté son lieu de détention le 28 avril 2023. Les responsables de la Maison Centrale de Marofoto, dont l’ancien chef d’établissement, le surveillant général et l’éducateur spécialisé, ont fourni des documents pour justifier son absence. Cependant, l’analyse de ces documents a mis en évidence leur responsabilité. Ils sont accusés d’abus de fonctions, de corruption active et passive, ayant conduit à l’évasion du détenu sans aucun rapport ni compte rendu.

À l’issue de l’enquête approfondie, menée par le doyen des juges d’instruction du Pôle Anti-Corruption (PAC) de Mahajanga, l’ancien chef d’établissement de la Maison Centrale de Marofoto, le surveillant général et l’éducateur spécialisé ont été placés sous mandat de dépôt le 26 mars 2025. L’agent pénitentiaire en charge du greffe a bénéficié d’une liberté provisoire, en attendant la suite de l’affaire.